FOKONOLONA : TSANGAMBATO VELONA

Ny Fokonolona dia tsy voafafan’ny taona ary afaka misedra hatrany hatrany ireo lalan-tsarotra nodiaviny teo am-pamakivakiana ny tantaran’i Madagasikara. Tsy maty vonoina izy hatramin’izay ka hatramin’izao.

Ny Fokonolona no tsangambato velona azo hanaovana asa fandalinana sy fikarohana hitadiavam-bahaolana ho entina hanarenana sy hanorenana an’i Madagasikara.

Kolontsaina izy io sady rafitra : kolontsaina iorenan’ny firenena Malagasy sady rafitra fifampitondràna efa nisy any amin’ny fototra hatramin’izay.

Efa hatrany amin’ny fahagolan-tany no niainan’ny Malagasy ny atao hoe Fokonolona. Mitambatra ho Fokonolona ny olona raha vao voatohina ny fiombonan’aina amin’ny maha « mpiray vatsy sy mpiray aina » eo amin’ny fiarahamonina azy.

Ohatra, ny fifanotronana rehefa misy fahafatesana, ny fifampifehezana ao anatin’ny DINA hiarovana ny aina sy ny fananana.

Ao anatin’ilay atao hoe « vahoaka » izay ifangaroan’ireo sokajin’olona isankarazany dia ireo « olona miraharaha » no mandray ny andraikitra sy tompon’andraikitra hanazava ny sain’ireo tsy mahalala fa mpanara-drenirano.

Izy ireo no handresy lahatra ny toe-tsaina miraviravy tànana, kivy sy mionona, ory hava-manana, samy maka ho azy izay manjaka ao amin’ny « mpiaramonina ».

Hifampitsinjo sy hifanohatohan-tsy ho lavo ary hifanampy ny rehetra noho ny ezaka ataon’izy ireo. Hampitambatra ny olona efa zatra « mpiaramonina » fotsiny teo aloha ho tonga « mpiarabelona ».

Tsy mora anefa ny lalana hodiavina hahavitana izany. Ilay fitsipi-pandaminana fehezin’ny teny ieràna fampiasan’ny Ntaolo Malagasy ihany no arahana eto. Miainga avy amin’ny « soa iombonana », mitohy amin’ny « raharaha ikambanana » sy ny « entan-jaraina mora zaka » ary « izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary ». Ho tanteraka noho izany ny fitsanganan’ny Fokonolona vokatry ny fitambaran’ny mpiarabelona.

Isaky ny faritra eto Madagasikara dia samy manana ny endrika mampiavaka azy ny Fokonolona. Ny hitambarany sy ny hiraisany dia ny fananany faritra ifampivelomana sy rafitra ifampitondrana mandala ny teny ieràna ary indrindra indrindra ny fahatsapana fa « ny iray vatsy dia iray aina ».

Amin’izao vanim-potoana sarotra diavin’i Madagasikara izao dia tsara asongadina atao « soa fianatra » ireto fahombiazanavitan’ny Fokonolona manaraka ireto :

■Eo amin’ny sehatry ny fikajiana sy fitantanana ny harena voajanahary dia efa in-dimy no norombahin’ny Fokonolona Malagasy ny amboara atao hoe « Equator prise ».

Tamin’ny taona 2006 dia ny Fokonolona tao Andavadoaka (Atsimo-Andrefana) no nahazo azy ; ny taona 2010 dia ny tao Ididy Ambatondrazaka (Alaotra-Mangoro) ; ny taona 2012 dia tao Anjà Ambalavao (Matsiatra Ambony) ; ny taona 2014 dia ny tao Maroantsetra ary ny taona 2015 dia tao Miandrivazo (Menabe). Ny PNUD/GEF/SGP no mampanao an’io fifaninanana iraisam-pirenena io ;

■Eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana indray dia nisy ny fijoroan’ny « Dinan’ny Manirisoa » natsangan’ny Fokonolona ao Bemahazemina (Amoron’ny Mania). Toy izany koa ny Fokonolona any amin’ny faritra Atsimo Andrefana nanangana ny « Dina be ».

Eo amin’ny sehatra fanatsarana ny tontolo manodidina sy toerana fialam-bolin’ny mponina ankehitriny sy ny taranaka ho avy dia tsara atao « soa fianatra » ihany koa ny kianjamaitson’Anjomakely izay vokatry ny « raharaha ikambanana » nataon’ny Fokonolona ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ivato. Santionany ihany ireo.

Loading...