FOKONOLONA : TSANGAMBATO VELONA

Ny Fokonolona dia tsy voafafan’ny taona ary afaka misedra hatrany hatrany ireo lalan-tsarotra nodiaviny teo am-pamakivakiana ny tantaran’i Madagasikara. Tsy maty vonoina izy hatramin’izay ka hatramin’izao.

Ny Fokonolona no tsangambato velona azo hanaovana asa fandalinana sy fikarohana hitadiavam-bahaolana ho entina hanarenana sy hanorenana an’i Madagasikara.

Kolontsaina izy io sady rafitra : kolontsaina iorenan’ny firenena Malagasy sady rafitra fifampitondràna efa nisy any amin’ny fototra hatramin’izay.

Efa hatrany amin’ny fahagolan-tany no niainan’ny Malagasy ny atao hoe Fokonolona. Mitambatra ho Fokonolona ny olona raha vao voatohina ny fiombonan’aina amin’ny maha « mpiray vatsy sy mpiray aina » eo amin’ny fiarahamonina azy.

Ohatra, ny fifanotronana rehefa misy fahafatesana, ny fifampifehezana ao anatin’ny DINA hiarovana ny aina sy ny fananana.

Ao anatin’ilay atao hoe « vahoaka » izay ifangaroan’ireo sokajin’olona isankarazany dia ireo « olona miraharaha » no mandray ny andraikitra sy tompon’andraikitra hanazava ny sain’ireo tsy mahalala fa mpanara-drenirano.

Izy ireo no handresy lahatra ny toe-tsaina miraviravy tànana, kivy sy mionona, ory hava-manana, samy maka ho azy izay manjaka ao amin’ny « mpiaramonina ».

Hifampitsinjo sy hifanohatohan-tsy ho lavo ary hifanampy ny rehetra noho ny ezaka ataon’izy ireo. Hampitambatra ny olona efa zatra « mpiaramonina » fotsiny teo aloha ho tonga « mpiarabelona ».

Tsy mora anefa ny lalana hodiavina hahavitana izany. Ilay fitsipi-pandaminana fehezin’ny teny ieràna fampiasan’ny Ntaolo Malagasy ihany no arahana eto. Miainga avy amin’ny « soa iombonana », mitohy amin’ny « raharaha ikambanana » sy ny « entan-jaraina mora zaka » ary « izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary ». Ho tanteraka noho izany ny fitsanganan’ny Fokonolona vokatry ny fitambaran’ny mpiarabelona.

Isaky ny faritra eto Madagasikara dia samy manana ny endrika mampiavaka azy ny Fokonolona. Ny hitambarany sy ny hiraisany dia ny fananany faritra ifampivelomana sy rafitra ifampitondrana mandala ny teny ieràna ary indrindra indrindra ny fahatsapana fa « ny iray vatsy dia iray aina ».

Amin’izao vanim-potoana sarotra diavin’i Madagasikara izao dia tsara asongadina atao « soa fianatra » ireto fahombiazanavitan’ny Fokonolona manaraka ireto :

■Eo amin’ny sehatry ny fikajiana sy fitantanana ny harena voajanahary dia efa in-dimy no norombahin’ny Fokonolona Malagasy ny amboara atao hoe « Equator prise ».

Tamin’ny taona 2006 dia ny Fokonolona tao Andavadoaka (Atsimo-Andrefana) no nahazo azy ; ny taona 2010 dia ny tao Ididy Ambatondrazaka (Alaotra-Mangoro) ; ny taona 2012 dia tao Anjà Ambalavao (Matsiatra Ambony) ; ny taona 2014 dia ny tao Maroantsetra ary ny taona 2015 dia tao Miandrivazo (Menabe). Ny PNUD/GEF/SGP no mampanao an’io fifaninanana iraisam-pirenena io ;

■Eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana indray dia nisy ny fijoroan’ny « Dinan’ny Manirisoa » natsangan’ny Fokonolona ao Bemahazemina (Amoron’ny Mania). Toy izany koa ny Fokonolona any amin’ny faritra Atsimo Andrefana nanangana ny « Dina be ».

Eo amin’ny sehatra fanatsarana ny tontolo manodidina sy toerana fialam-bolin’ny mponina ankehitriny sy ny taranaka ho avy dia tsara atao « soa fianatra » ihany koa ny kianjamaitson’Anjomakely izay vokatry ny « raharaha ikambanana » nataon’ny Fokonolona ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ivato. Santionany ihany ireo.

Tantara sy Kolontsaina

Taloha elabe dia tsy mba tànam-polo no nentin’ireo andian’olona mpiavy nandeha lakana, tonga teto Madagasikara fa samy nivimbina ireo «vatsy kolontsainy» izay lova avy any amin’ny tany niaviany avy izy ireo. Izany «vatsy kolontsaina» izany no kitapo nanovozan’izy ireo herim-panahy hampiasa an’ireo fomba amam-panao sy ireo hairaha ary haitao nentindrazany. Nahafahan’izy ireo niavo-tena sy nioitra teo ampamakivakiana ireo làlan-tsarotra nodiavina.

Niteraka olana anefa ny fisian’ny tonga taloha sy ireo tonga tafarasatria araka ny trangam-piainana mpahazo ny mpifindra monina dia nisy ny fifanjevona sy ny fifandonana teo amin’ny famaritana ny toerana hipetrahana sy hivelomana.

Nisy koa anefa ny fifandaminana sy fifanarahana. Rehefa nandalo fisedrana maro samihafa izy ireo dia samy nanorim-ponenana arak’izay toerana nosafidiany avy.

Tsy nandeha ho azy anefa ny fahafahana nanorim-ponenana fa mitaky fananana «vatsy kolontsaina» natanjaka. Nandova an’izany izy ireo ka afaka nisedra sy nihoatra ireo sakana maro samihafa teny am-pandehanana teny no sady afaka nandrafitra ireo fitsipi-piainana nahafahany nifandamina sy nifanaraka taty aoriana.

Teraka avy amin’ireo lalana nodiavina rehetra ireo ny fisian’ny atao hoe «faritra na toerana ifampivelomana». Io toerana io no vatsy namelona sy nampiombon’aina azy ireo arak’ilay ohabolana manao hoe «iray vatsy iray aina».

Ny «toerana ifampivelomana» nisy azy ireo dia namolavola ny «vatsy kolontsaina» nampiavaka azy isan-tokony avy. Io «vatsy kolontsainy» io koa no nandrafitra ny endriky ny faritra ifampivelomany. Heno sy hita izany eo amin’ny fomba fiteny, fomba fiasa, fomba amam-panao, fomba fandrindrana ny fiarahamonina, fomba fanamboaran-trano, fomba fanajariana ny toeram-ponenana sy ny toerampivelomana, sy ny maro tsy voatanisa.

Ireo rehetra ireo no natambatr’ilay Nosy ho «vatsy kolontsaina» iombonam-be ary vokatry ny tanin’i Madagasikara satria tsy misy ary «tsy maniry» afatsy eto.

Mampiavaka antsika eran-tany izany, ary ireo «vatsy kolontsaina» ireo dia toy ny fanirin’ny hazo, maro rantsana misampan-tsampana fa ny fototra iray ihany ka nivoitra ho : KOLONTSAINA MALAGASY.

OLONA no HARENA

Fanakianana rentsika matetika amin’ny fiainana andavanandro ny atao hoe : olona tsisy fotony. Misy izany ny “olona misy fotony” fa tsy mahazatra ny miteny azy nefa filamatra sy zava-dehibe amin’ny fahendrena Malagasy.

Hoy ny ohabolana’ny Ntaolo: «Tanimbary fotaka, aomby biby, vola taratasy fa ny OLONA no HARENA». Ny fotaka no lasa tanimbary dia ny olona izay niasa azy. Ny biby no lasa aomby dia ny olona nampiasa azy. Ny taratasy no lasa vola dia ny olona namorona sy nampiasa azy. Arak’izany dia ny asan’ny OLONA no miteraka HARENA.

Mampiazakazaka fatratra ny fitsokan’ny rivotry ny fanatontoloina ankehitriny. Raha tsy manana vahatra hamikirana sy fototra hijoroana dia ho zakan’ny rivotra mora ihany ka hiantsapy amin’izao hazo tsy fantatra anarana rehetra izao.

Toy izany no mahazo an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Lany andro manenjika sy manakatra an’ireo lasitra fampandrosoan’ireo firenena vaventy. «Mitomany randrana tsy manendrika an’ny tena» hoy ny ohabolana. Tsy manam-potoana intsony hitodi-doha sy hifantoka amin’ny «vahaolana eo ambany maso» avy ato anatiny fa varimbarian’ny lavitra. Vokatr’izany : ny teo aloha mbola tsy voafehy nefa ireo napetraka aty afara mibosesika ihany. Mamandrika ny tenany i Madagasikara dia izao tsy tafavoaka izao mihitsy.

Olona Mirahaha

Efa nisy hatramin’izay ary mbola misy hatramin’izao ireo olona mahatsapa fa nahita SOA avy amin’ny tany izay mamelona azy sy avy amin’ny mpiarabelona izay iarahany miaina.

Irahin’ny feon’ny fieritreretany izy ireo dia mamaly SOA. Hita ao anatin’izany avokoa na vahiny na tompontany, na tanora na zokibe, na olon-tsotra, na mpanao politika, na « vato nasondrotry ny tany ».

Na dia manjaka aza ny fomba fiainana samy maka ho azy, na dia mavesatra aza ny tsindrin’ny fahasahiranana sy ny rotorotom-piainana andavanandro dia efa tao foana ary mbola ao foana ireo olona miraharaha ireo.

Ny herim-panahy iraisan’izy ireo dia miantehatra amin’ny herin’ny tenany ary mioitra sy manao ny tandrifiny amin’ny sehatra izay misy azy.

Miasa mangina ; mitafy fikirizana ; mandàla ny soa iombonana ; mitsimbina ny maha mpiray vatsy sy maha mpiray aina eo amin’ny fiarahamonina ka mitandro ny rariny sy ny hitsiny izany.

Izy ireo no manana « vatsy kolontsaina » efa manao VALIMBABENA.

Ny fampitambarana ireo sokajin’olona miraharaha ireo no hitondra ainga vao hanarenana sy hanorenana ary hampijoroana an’i Madagasikara ankehitriny sy rahampitso.

Loading...